Azafady re fa mba mangataka fitenenana aho 
Miala tsiny, miala fondro, miala satroka re tompoko ô ! 
Satria izaho miteny dia tsy zokony fa zandriny indrindra 
Azafady re, azafady re tompoko ô ! 
Nolazaina fa ny olona rehetra 
Dia mitovy zo 
Nolazaina koa fa ny olona rehetra 
Tsy mitovy fo 
Misy ihany anefa, misy ihany anefa 
Mbola mitomany
Tsy rariny raha mbola misy jery tavan’olona 
Tsy rariny raha mbola misy antokotokon’olona 
Tsy rariny raha mbola misy teny midina 
Tsy rariny raha mbola misy farahidiny 
Tsy rariny raha mbola misy tsindry hazo lena 
Tsy rariny raha mbola misy didy fanerena