Ataoko ahoana no fahay
raha tsisy mampianatra ahy?
io hetahetam-pamonjena io
tsy henonao koa va anio
Meteza hirahin’ny fanahy
ho sahy tsy hanana ahiahy
hitory sy hazoto hampianatra
ny tenin’Andriamanitra
Koa mitsangana , mandehana
izao no baiko omena anao
ny hazakazaka aza moa
nataon’ny zoky teo aloha
iarys