tsy lakana ny lakana raha toa
tsy mahatafita anao an-dafin’ony ery
tsy lakana ny lakana raha toa
mifidy ny toetr’andro
vao mahatafita anao
fiv: fa inona hoy ianao no tena tsara
fa inona hoy ianao mba lazao
Jesosy no lakana mitondra
ka vetivety monja dia tonga an-danitra
tsy lakana ny lakana raha toa
tsy mahatafita anao an-dafin’ony ery
tsy lakana ny vola aman-karena
f’ireny mety hihena handositra anao
tsy lakana ny lakana raha toa
tsy mahatafita anao an-dafin’ony ery
tsy lakana ny endrika amam-bika
f’ireny mety hipika ; hiketroketrona
iarys