4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bakobakoroa - Andrianary Ratianarivo

Jereo kely ! jereo anie ireto voromahailala

Ireo modely te-ho² tahafin’ny mana-malala

Ny azy ireny dia hajainy tokoa ny fitia

Azo toky, fady izay mba hania

Fa mandra-maty fa tsy mba lefy ilay fitia mitafotafo

Fa isan’andro indreo miaina an-drotsirotsy sy safosafo

Tsy omby in-jato f’isan’ora ny feony no re

Re tsy miato mamerimberina hoe:



Bakobakoroa, ry tokan’ny fo

Ry mamiko indrindra

Tsy haiko hovaina na hafindra

Anao rahavako

Itony ny fitiavako

Ny fo sy ny saiko, ny tenako

Anao ka anjakao



Bakobakoroa, ry tiana tokoa

Ny hiova fitia

Amintsika dia atao sanatria

Raha mbola mitempo ny fo

Na inona loza manjo

Ry tiana tsy roa

Bakobakoroa

Partager bakobakoroa

Commenter bakobakoroa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Andrianary Ratianarivo