Zazavavy tsotra sy madio fo
Virjiny mahay mankato
Nanetry tena, feno hasoavana
Nofidian’ny Tompo ho reniny
Galilea tany nihaviany
Tranon’omby niterahany ny Mpamonjy
Manankarena herim-po raha izy
Nitraka hatrany, tsy mba mba nilonjy
O Maria, O Maria, tsara loatra ny toetranao
Mendrik’ho deraina ‘lay herim-po nananao
O Maria, O Maria, iriako ho toa anao
Ny tovovavy rehetra O Maria
Reny tsy mba namela ho very
Menaky ny aina nandeha irery
Ranomaso nalatsakao teo Kalvery
Niaretana avokoa ‘reo ferin-janakao
Manantena aho fa satro-boninahitra
No isaloranao, any an-danitra
Ampianaro aho ho toa anao
Hahay hanao hoe : « Inty aho Tompo ankizivavinao »