4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antsom-pitiavana - Antsan'i Trinité Masina

ANTSOM-PITIAVANA



Ny antsom-pitiavana natolotrao hizorako Tompo ô

Dia lalam-piainana tsy mba haiko ho visaina

Ampy anao hoy ny teninao ny fahasoavako

Izory ny lalanao fa homba anao anie ny tanako



Isaorako Anao ry Ray zany tombom-pitiavana (2x)

Ento zany fiainako mba ho setrim-pitiavana



He lalina ary mahatalanjona zany lahatrao ry Ray

Mahagaga ny fomba anehoanao io fitiavana io

Zovy moa no nanantena iantefan’izany masonao

Ilay fijery manintona manova ny aty fo



Isaorako Anao ry Ray zany tombom-pitiavana (2x)

Ento zany fiainako mba ho setrim-pitiavana





Tsy hay tratrarina ami’zay mba herintsaina

Safidin’Andriamanitra io ny mandray no atao

Kanosa tokoa anie ry Piera teny amoron-drano

Izy anefa no voatendry hitondra ny Fiangonana



Isaorako Anao ry Ray zany tombom-pitiavana (2x)

Ento zany fiainako mba ho setrim-pitiavana

Partager antsom-pitiavana

Commenter antsom-pitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Trinité Masina