O Asandrato izany feonao
Aoka mba hidera
Ankalazao ny voninahitry ny anaran’i Jehovah Ray
Jehovah Ray tsitoha, Tompo masina Tsitoha
Mpanjaka lehibe Jehovah Andriamanitra
Hobio derao ho ren’izao tontolo izao
Fa masina Jehovah
Venteso mafy hanakoako eny
Tsanta vaovao
Halleluiah, Hosana
Asandratray ho anao mpanjakanay
Ny haja sy voninahitra ho Anao
Mandrakizay