Ho famaizana sy fanasaziana
Ireo olo-meloka mpanao ratsy
Eo ambony hazo fijaliana izy
No hovonoina ho faty
Ireo vahoaka hihorakoraka
Vonoy homboy ho faty
F’izay mangoraka amin’izy ireo
Hovonoina koa fa heverina ho namany
ref:
Hamofona hanenika ny habakabaka
Mahatsiravina
Ny taolany hihintsana
Ny nofony ataon’ ireo voromahery
fihinana
Izay ho entina eny amin ’ny tendrombohitry
Dia hovonoina avokoa
JESOSY efa anisany ireny