Tsy mbola ho fantatro izay entin’ny ampitso
na ho hatsiaka na ho masoandro mibaliaka
fa mbola miafina izay rehetra ho avy
toa tiako ho fantatra sahady
Réf Kanefa n’inon’inona hiseho
ny finoako tsy hijanona hatreo
fa matoky Anao ny fo hatramin’ny farany
satria fantatro fa an-tananao
izay rehatra mety ho ahy izao
matoky anao ny foko Tompo tsy miova
Lazaina fa miovaova izao rehetra izao
toa rahona miserana sy aloka mandao
tsisy azo ianteherana izay rehetra mety ho ety
toa zava-poana maro mpakafy