4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiana ve? - Mahaleo

Mangitakitaka aho,mitebiteby aho
Mibitabitaka ary somebiseby ny foko
Rehefa manina anao
Ireo andro niarahana,toa fohy dia fohy
Tiako hitarina sy tiako hitohy
Kanefa ianao indray no tsy sahy

Tiana ve,diso tiana?
Ka mampitondra fahoriana
Mamy ve?diso mamy?
Andraso kely ary aho raha mbola tianao ihany
Tiana ve,diso tiana?
Ka mampitondra fahoriana
Mamo ve?diso mamo?
Andraso kely ary aho raha toa ianao ka kamo

Tsy andriko intsony,ny andro maraina
Hibedako ny fony ary hitenenako ireo teny
Izay efa noforoniko ho anao
Tsy mahasaraka aho,tsy mahatombona aho
Rehefa niaraka,rehefa niombona isika
Izay vao nifankatia

Foiko ho anao,tsisy fetra
Ny fiainako rehetra
Omeko anao,raha sitrakao
Ireo nofinofy mbola ao anatiko ao
Foiko anao ,tsisy fetra
Ny fitiavako rehetra
Omeko anao,raha sitrakao
Ireo nofinofy,matory ao anatiko ao

Partager tiana ve?

Commenter tiana ve?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite