4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ts'isy tsiny - Mahaleo

Isika mifankahalala
Mifampijery toa vahiny
Nefa ianao nahalala
Mba nifankatia fahiny
Ts’isy tsiny
Ts’isy tsiny ny amin’iny

Tonga ny lainga sy ny fitaka
Ny toky teny hidiany
Sarisaritaka
Ny fony no vangiany
Ts’isy tsiny
Ts’isy tsiny ny amin’iny

             Saingy ny ankizy eo afovoany
             Tsy hay izay hadisoany
             Tsy hainy ny ataony
             Mikorontana ny fony
             Tsy hinoany
             Hoe tsy mifankatia intsony

             Izaho mandrirotra an-kavia
             Ianao misintona an-kavanana
             Izay no arahan’ady
             Tsy hotoloran-tanana
             Tsy azo avahana
             Samy ny tiany no arahana

-----

Jereo ireto zaza
Manao izay hidivirana
Leon’ny vazavaza
Ny ato an-trano tsy azo idirana
Sahirana
Ts’isy azo hifikirana

Aleony mirenireny
Ny ato an-trano andosirana
Na ray na reny
Tsy ahitana mangirana
Sahirana
Ts’isy andry hifikirana

             Isika tsy mahatsiaro tena
             Manao adalana
             Ny menaky ny aina
             No zary mihanahana
             Tsy tamana
             Manahy izay hiafarana

             Ny ankizy eo afovoany
             Tsy hay izay hadisoany
             Tsy hainy ny ataony
             Mikorontana ny fony
             Tsy hainy intsony
             Hoe tsy mifankatia intsony

Partager ts'isy tsiny

Commenter ts'isy tsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite