4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antson-dray - Art'HIRA

Antson-dRay

Miantso ahy ,miantso anao ny Ray
Miveréna f’Izy tsy hanafay
Fifaliana e no miandry ao
Mivoha ho antsika ilay paradisa vao

Miantso ahy ,miantso anao ny Ray
Miveréna f’Izy tsy hanafay
Fifaliana e no ho vantanina ao
Miandry antsika ilay fiainam-baovao

Ilay Mpamonjy anie efa nanomana
“Ho ahy sy ho anao”
Toerana hafa vaovao ivelomana
“Ka hoy izahay hoe”
Ndao e!
Ndao hitodi-doha
Indro miandry ilay tsy toa
Ndao e!
Mibebaha
Ndao e!
Miovà ka manaraha

Mikaika anao mikaika ahy iAba
Mipolia miavia ka magnahy
Mikaika antika e ondry nania
K’aza ela mandigny anao I Kristy

Mikaika anao mikaika ahy iAba
Mipolia miavia ka magnahy
Mikaika antika e ondry nania
K’aza ela mandigny anao I Kristy

Ilay Mpamonjy anie efa nanomana
“Ho ahy sy ho anao”
Toerana hafa vaovao ivelomana
“Ka hoy izahay hoe”
Ndao e!
Ndao hitodi-doha
Indro miandry ilay tsy toa
Ndao e!
Mibebaha
Ndao e!
Miovà ka manaraha

“efa el any Tompo no niandry anao
Ko dia ndao ary e!”

Ndao e!
Ndao hiova fo
Indro !
Miandry anao Jesoa
Ndao e!
Diovy ny fanahy
Ndao e!
Mibebaha ka Mivavaha

Partager antson-dray

Commenter antson-dray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Art'HIRA