maloka manjombona ny andro anio
nodimandry ilay malala
natao daholo izay rehetra azo atao
namonjena ny ainao, saingy indrisy aky
izay no lahatra sy anjara
nitanondrika , malahelo,
tsy mahafohy anao
atanjahiko ny saiko
sy ny fo amam-panahy
f''ilay ray ao ambony no naka, ary nanome
ny alina fialan-tsasatra
toa nanjary faoriana
ny orana migija
toa vao maika nampangotika ny fo
ka ilay sakakelinao,
no mba hany nataoko kilalao