4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Papa sy mama - Bapasy

                        PAPA SY MAMA

O! PAPA ! O MAMA !AH !AH

MISAOTRA ANAO NANEFA ADIDY

O !PAPA ! O! MAMA ! AH! AH

NANAMPY ANAY FA TSY MBA KIVY E!



LEHIBE IZAHAY HITONDRA VALIMBABENA O

LEHIBE IZAHAY HANOLOTRA IZAY TSARA OMENA



FA RAHA ZAZA MADITRA NATERAKA HAMALIVALY

MITERAHA MBA HAHITA FA HOHITANY TSARA IZANY

ZAZA TIANA IANAO KA TSY MAINTSY TENENINA

SANATRIA NY VAVA VOADOANA VAO METY HANENINA



O! PAPA ,O! MAMA AH ! AH

MISAOTRA ANAO NANEFA ADIDY E

O ! PAPA O! MAMA AH! AH!

NANAMPY ANAY FA TSY MBA KIVY



NOMENA IZAHO KA NAHALEO TENA O!

NAHATSARA AHY NY FITIAVAN-DRAY SY RENY

NOMENA ILAY FITIA VOLAMENA O!

NAHATSARA AHY SATRIA FITIA TSY NOTERENA



FA RAHA ZAZA MADITRA  NATERAKA

HAMALIVALY

MITERAHA MBA HAHITA FA HOHITANY TSARA IZANY

ZAZA TIANA IANAO KA TSY MAINTSY TENENINA

SANATRIA NY VAVA VOADONA

VAO METY HANENINA E

O! PAPA ! O! MAMA AH ! ah!.......

Partager papa sy mama

Commenter papa sy mama

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bapasy