4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamay - Belahy

1-Misavorovoro tsy mety milamina ity GASIKARA

Mararirary tsy mety salàma ka manalasàla

marasily, sivily ,bôdega,prà te hitondra volant

te hifaninana hitondra ny tany avokoa ry zalahy

Izay voky dia lasa satria efa tafita elaela tsy hita

mihainohaino fifidianana ho avy izy dia mitsoriaka

mametaka afisy, mamory vahoaka ary mandresy lahatra

ny tsipy kely sy ny tapi-maso tsy mety mitsahatra

ho ataoko ny atsy ho vitaiko ny aroa

ka tsy hita izay marina

ny atsy sy aroa mbola tsy misy vita ny aroa no takarina

Izahay raha  miteny tsy hoe mitsikera  na koa mankàhala

fa efa leon’ny fitaka sy toky mamy fampanantenàna

FIV:

Nataoko ihany ny hoe tsy hiteny kanefa milentika tsy tafavoaka

ilay Gasikara tsy an’olon-drery fa ny fahefàna dia  ho an’ny vahoaka

Ny olom-bitsy no manjakazàka mandravarava sy maméla ratra

mpiray petsapetsa manao kômberaka

mitehatehaka mitoto helaka



tsy misy intsony ny fanantenana

mimenomenona ny iray tanàna

fampanantenàna tsy misy tanteraka

Ambatobevohoka tsy mety  

miteraka, mamay



Mamay o

mamay an....



2-Manakoako malàza any am-pita ilay fahantràna

ka nanararaotra nanangon-karena tokoa ny karàna

managana trano manao orin’asa mahay mifandray

izy daholo no manjakazaka @ ireo magazay

Vahiny maro no mifangaroharo miditra aty

maro @ ireny no mirôzirôzy tsy misy anton-dia

fa angaha izy ireny raha misy olon-dratsy dia manana tandroka

mpitsoam-ponenana mpanao affaire mpanao vola sandoka



Nataoko ihany ny hoe tsy hiteny....

Partager mamay

Commenter mamay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy