4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampindramo ahy - Davis franklin

Raha tsy foinao ho ahy tanteraka e

Ny aminao rehetraretra

Ampindramo ahy vetivety foana

Ny tànanao ny fonao

Rehefa aoriana kely ao

Raha toa ka ho reraka

Ankino amiko tsy misy fetra

Ny fiainanao ny fiainanao



Raha tsy avela ho ahy tanteraka e

Ny momba anao rehetra rehetra

Ampindramo ahy vetivety foana

Ny sandrinao ny nofinao

Rehefa aoriana kely ao

Jereo fa hiaraka e

Ny fiainako ny fiainanao





Ref:  Eeee, sambatra aho sambatra aho

         Voafininao voasafonao ny tanako

         Takariko ny lanitra raha tratrako

         Ianao no fiainako

         Na ho ela na ho aingana

         Ny fotoana hiainako





Raha tsy omenao ahy mihitsy anie

Ny fiainanao rehetra rehetra

Ampindramo ahy vetivety foana

Ny fitiavanao ny fonao

Izaho anie tsy hangalatra e

Miera aho vao mandray

Raha omenao, raha omenao



Raha tsy avela ho ahy tanteraka e

Ny mombamomba anao rehetra

Ampindramo ahy vetivety foana

Ny sandrinao ny nofinao

Rehefa aoriana kely ao

Jereo fa hiaraka e

Ny fiainako ny fiainanao





Ref:  Eeee, sambatra aho sambatra aho

         Voafininao voasafonao ny tanako

         Takariko ny lanitra raha tratrako

         Ianao no fiainako

         Na ho ela na ho aingana

         Fotoana hiainako







Mika sy Davis

Partager ampindramo ahy

Commenter ampindramo ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Davis franklin