4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dada - DODA

Dada tiana sy lalaina

Ianao nitantana ahy

Sy nampianatra ahy hisaina

Hahay hitandro ny fanahy

He tsaroako am-po tokoa

Ny tambitambinao fahiny

Ny kapoka nataonao koa

Mamy ireny ankehitriny.



Ireny ditra sy hadalako

Hadinoy raha sitrakao

Mamelà ny fahotako

Hoy ny hantan-janakao

Tsy hamerina ireny

No fikasana faniriana

Hamelo-maso anao ombieny

No tarigetrako ao aoriana.


Partager dada

Commenter dada

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DODA