4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavako an'i mama - Erick Manana

Teny tsotra sady fohy

Ny hoe tia fa tsy voalaza

Teny kely fa mampahory

Rehefa tsy voaloaky ny vava

Ny fitiavana ilay reny

Mbola hafa koa io ka hafa

Toa tsy ankiteniteny

Nefa henoko mitafa



Tena marin’ô! tena marin’ô!



Ny fitiavako an’i Mama ô!

Tsy mivaky fa mafonja ô!

Tsara kotrika mafana

Am-poko ao izy manonja ô!

Tsy mba mila orokorok’ô!

Tsy mba mila safosafo

Fa fitia miray fototra

Mandra-maty tsy halazo



Ho ela velon’ô! Neny tiako!



Ny fitiavako an’i Mama ô!

Tsy mivaky fa mafonja ô!

Tsara kotrika mafana

Am-poko ao izy manonja ô!

Tsy mba mila orokorok’ô!

Tsy mba mila safosafo

Fa fitia miray fototra

Mandra-maty tsy halazo



Ho ela velon’ô! Neny tiako!



Teny tsotra sady fohy

Ny hoe tia fa tsy voalaza

Teny kely fa mampahory

Rehafa tsy voaloaky ny vava

Ny fitiavana ilay reny

Mbola hafa koa io ka hafa

Toa tsy ankiteniteny

Nefa henoko mitafa



Tena marin’ô! tena marin’ô!



Ny fitiavako an’i Mama !

Tsy mivaky fa mafonja ô!

Tsara kotrika mafana

Ao am-poko ao izy manonja ô!

Tsy mba mila orokoroka

Tsy mba mila safosafo

Fa fitia miray fototra

Mandra-maty tsy halazo



Ho ela velon’ô! Ho ela velon’ô ô ô !




Partager fitiavako an'i mama

Commenter fitiavako an'i mama

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite