Ianao no tiako hitoetra ao anatiko
Ianao Tompo ô, no tiako hanapaka ny foko
Aza avela hisy re hibahan-toerana aho
Foiko manontolo ho Anao izy io
Anjakao
Tsy ny fiadananao ihany re no ilaiko
Tsy fitahiana koa, tsy izany no andrandraiko
Fa Ianao mihitsy, lay Zanaka Fanahy
Ianao manontolo Tompo ô; Ianao no tiako ho ahy
Faniriana sy hetaheta, lalina ao am-po
Iray fitepo, iray Fitiavana izaho sy Ianao
Indro re ny foko anio, vohaiko idiranao
Foiko manontolo ho Anao izy io, anjakao