4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miorena (choral serafima ambohibao toby - FLM)

Miorena tsara ary aza miova, tsy irery akory ianao raha mbola ety

Miorena tsara ary aza miova, ampy ho anao ny fahasoavako



1 - Aoka ho fantatrao tokoa fa amin’izao fotoana izao

miasa mafy i satana ilay mpamingana mahay

ka mandrahona amin’ny loza na mody mba manao ny soa

ka ireo miroa saina no voafatotra amin’izany



2- nefa ny hafatry ny Tompo izay nampitondrainy anao

na ho mafy na ho mora dia ho mandrakizay

ka mba hianaro Joba ’lay nahantra fahizay

n’inon’inona nidona tsy hivadika amin-dRay



3- raha sendra fahoriana na ny loza izay manjo

dia maro no misaina fa tsy manavotra Jeso

raha mitombo ny harena na ny hafaliam-po

dia be no manadino ilay nihavin’ny soa

Partager miorena (choral serafima ambohibao toby

Commenter miorena (choral serafima ambohibao toby

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FLM)