4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitety onja - Gilles RAMIARISON

Lakan-kely toa lakana very fivoy

Handeha hitety onja, hitety onja re roy !

Tsy misaina ny loza midona tsy nahy

Lakana kely e! ry lahy!

Nefa misetra ny mafy , roso ka tsy manahy.



Mitopatopa ka mitopatopa

Ny alon-drano re roy!

Misosasosa ka misosasosa

Onja mifamoivoy,

Midoladola ka midoladola

Lakana kely e! ry lahy!

Nefa misetra ny mafy , roso ka tsy manahy.



’Zany andro dia tony sy tsara tokoa,

Ny rivotra malefaka, rivo-malefaka koa,

Miramirana, mandroso fa tena sahy

Lakana kely e! ry lahy !

Nefa misetra ny mafy , roso ka tsy manahy



Nefa tampoka ny andro niova injay!

Ny rahona mitambatra, mitambatra sy niray,

Ny tafiotra, ny riana indro nifanjohy..

Lakana kely e! ry lahy!

Zary nafolaky ny onja, fefika sy nafoy



Nankaiza, nankaiza ’lay fikasana teo,

Nankaiza, nankaiza rava sy foana hatreo,

Tsarovy, tsarovy, tsarovy tsara e! ry lahy!

Raha toa lakana kely, aza mba sahisahy


Partager mitety onja

Commenter mitety onja

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gilles RAMIARISON