4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ho foana ny fanantenanao - Groupe daniela

Mety hilaza angamba ianao hoe iza intsony moa

No hafaka hamonjy ahy, aleoko mamoy fo

Jehovah no efa manana, manana lalana

Tsy hitondra loza, fa hitondra fahasoavana



Na betsaka aza ny olona manenjika anao

Toy ny tendrombohitra sy havoana ny olanao

Manana fatokiana fa aza malahelo ianao

Ny famonjena antsika anie avy any andanitra



Na faly eo anoloana aza ny fahavalonao

Minia tsy te-hahalala anao intsony ny havanao

Aza maninona azy ianao, ny Tompo no jereo

Jehovah hiady ho anao, ho menatra izy ireo



Na hataony hatraminy ainao aza izay tsy zakanao

Na ho esorina aminao aza izay tianao

Aza mitomany fa andeha re mivavaha

Izay mahasoa antsika anie hain’Andriamanitra



Na isan’andro vaky izao aza toa kivy ianao

Toa mihodina sy maizina avokoa izay hitanao

Eny malahelo ianao, mitaraina noana

Raha hisy koa ny farany, tsisy fanantenana ho foana



Na fahoriana ranomasina aza mbola ho tony

Ny olana, tendrombohitra ireo mbola hietry

Ny aretina toa havoana ho tonga tany lemaka

Raha Jehovah miasa ts’isy hahasakana


Partager tsy ho foana ny fanantenanao

Commenter tsy ho foana ny fanantenanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Groupe daniela