4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fifankatiavana mandrakizay - HANITRA NENTIN-DRAZANA

Fifankatiavana mandrakizay

No apetraka ho antsika ety

Mba ho iray ts’isy hafa satria

Ilay fitiavana dia iray



Ny faniriako re(2)

hiara-mitoetra(2)

amim-pitiavana



Ry mbola velon’aina eto

tsarovinao anie

Fa ny fifankahalana mantsy

no fahafatesana

Mifankatiava miraisa fo

sy fanahy koa



Fifankatiavana mandrakizay

fampiraisana no atolotro

hampiadana ny eto an-tany

Sabatra enti-miady ety



Ny faniriako re(2)

hiara-mitoetra(2)

amim-pitiavana



Ry mbola ory sy mahantra

tafio ny herinao

Ravao ny fefin’i satana

izay mampisaraka

fifankatiavana no irio

fa harena madio



Ny faniriako re(2)

hiara-mitoetra(2)

amim-pitiavana



               Tonony sy feony:HANTAVOLOLONA Christianne

                      Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA

                      FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO


Partager fifankatiavana mandrakizay

Commenter fifankatiavana mandrakizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HANITRA NENTIN-DRAZANA

Suite