4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa izato ianao - Henri ratsimbazafy

Ny akoho efa tamana an-trano
nahoana no atakalo ?
dia satry ve ny hita rano
raha mitovy ihany izany kalo ?

Tsy omeko tsiny anefa ianao
raha toa nandao fa efa lao,
Satria atao ahoana moa
mangina aloha fa efa voa.


FA IZATO IANAO
mba manao ahoana
moa hatramizao
mbola tiany foana

Iarahana mahita
ny amiko dia vita
potika, tarangana,
nafoy sy very maina
izay mba nantenaina
tsisy tafatsangana

FA IZATO IANAO
mba manao ahoana
moa hatramizao
mbola tiany foana ?
Ireny ianareo
nataoko tsy ho leo
nifankatia izaitsizy
manao ahoana ihany,
moa niitohy hatrany,
firy izao ny ankizy ?

Nahoana ianao no tsy miteny
kanefa izaho mba manontany ?
Ny masonao mirenireny,
lasalasa nofy, lasa vinany.

fa ralia izaho no itseranao
ka mampanao
toa izao
dia sitrana aho ankehitriny.
tsy misy tsiny
ny amin'iny.

FA IZATO IANAO
mba manao ahoana ?
moa hatramizao
mbola tiany foana ?

Iarahana mahita
ny amiko dia vita,
potika, tarangana,
nafoy sy very maina
'zay mba nantenaina
tsisy tafatsangana.

FA IZATO IANAO
mba manao ahoana ?
moa hatramizao
mbola tiany foana ?
ireny ianareo
nataoko tsy ho leo
raha hitako niaraka,
manao ahoana ihany
moa mitohy hatrany ?
Hay va re nisaraka !!!

Partager fa izato ianao

Commenter fa izato ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite