4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa i dada - JERIC'ko

   Toa mangingina ireto ny mpianakavy

   Nilaozan’i dada,nefa i zandry mbola mandady

   Lasa tsy niteny,fa hoe,veloma @ neny

   Dia samy nitomany,fa lasa ilay olo-mamy

                

                Dada tsaroako raha ianao

                Ary tsaroako ilay teni-nao

                Tsy maintsy mandeha,efa voan-tso

                Sady efa ho avy ny andro sy ny antso

        

             ô Dada ô!

  

     ref:  Ianao irery ihany,no

           Nahitanay ireo mamy(teto an-tany)anao,anao..

           Izaho mitomany hatrany,toy izany

           Zoky sy zandry ihany(mitomany)anao,anao

  

    

   Mbola tsaroako ny fiainana rehetra

   Ny fijaliana nandalo ary nitoetra

   Jereo ange ny lamba ho enti-nao

   Fa bobongolo sy sisan-kalalao



              Ary inoako,fa ny nofo ihany

              Ho lasa vovoka,hanjary tany

              Fa ny fanahy hijery eny ambony

              Hijery ireto zazakam-boty

  

     ref: Ianao irery ihany,no

          Nahitanay ireo mamy(teto an-tany)anao,anao..

          Izaho mitomany hatrany toy izany

          Zoky sy zandry ihany (mitomany)anao,anao..

      

  

                  Ireto zanakao

                  Tsy mahalala ny tomany

                  Nefa indrisy tokoa

                  Nandalovana ihany

                  Ny lehilahy mafy fo

                  Nefa rendrika avokoa

                  Tena lasa anao ry dada

                  Zay zahay vao tena gaga

                  Ny hasambarana,sy fifaliana

                  Indro lasa fahoriana

                  Ny kintana eny ambony

                  Hitsinjo anay irony

                  Ny ranomaso milatsaka

                  Ny aina sasan-tsasatra

                  Tsy  izahay no nisafidy

                  Fa ny ao ambony no mandidy





             reffrain:  ô Dada ô!...........

                        .....    

    

Partager lasa i dada

Commenter lasa i dada

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe JERIC'ko