4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay fitiavana - Jon Mos

Tamin'izay ianao nilaza hoe
Tiako mba haharitra ilay fitiavana (hoy ianao) (x2)
Nefa ankehitriny ianao
Milaza ny handao
Ka sahinao indray
Ny hamela ahy tsotr'izao
Nefa tia aho, tia anao.....

Mba lazao raha misy fitiavana ahy ihany
Moa ve mba fantatrao izany
Fa faniriako ny hiaina anilanao
Tiako ianao ka araraotinao aho
Tsy manery anao anefa aho
Raha tsy ho anjara ilay fitiavana
eh yeah!
Aleo hijanona amin'izao

Anio averiko eto indray
Fa sarotra ho ahy ny hanadino anao (ouh ôô) (x2)
Tsy vitako anefa
Ny hanery anao toy izao
Manahy ihany koa
Fa sao ho lavinao
Nefa tia aho, tia anao.....

Mba lazao raha misy fitiavana ahy ihany
Moa ve mba fantatrao izany
Fa faniriako ny hiaina anilanao
Tiako ianao ka araraotinao aho
Tsy manery anao anefa aho
Raha tsy ho anjara ilay fitiavana
eh yeah!

Ny fitavana akory tsy hoe vazivazy
Ka hoataonao kilalao sy hoataonao sangisangy
Ka hionona ny foko raha izay no sitrakao
Izaho no mbola tia ka dia niala nenina aminao

Tsy manahy raha izay no sitrakao
F'izaho ihany koa tsy afaka ny hanery anao (ouh ôô)

Mba lazao raha misy fitiavana ahy ihany
Moa ve mba fantatrao izany
Fa faniriako ny hiaina anilanao
Tiako ianao ka araraotinao aho
Tsy manery anao anefa aho
Raha tsy ho anjara ilay fitiavana

Mba lazao ...,...
Rahoviana ihany e (x3)
Vao ho tsapanao ilay fitiavana (e yeah)
Tsy manahy (e yeah)
Aleo hijanona amin'zao

Partager ilay fitiavana

Commenter ilay fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jon Mos