4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anilanao foana - Joy k et Nampoina

N'inon'inona mahazo ahy
mety ho lavo, very indraindray
Nefa ianao tsy nanary ahy
Tiako ny ho eo anilanao
Akaiky foana ianao no tiako
ho eo antsorokao no fifaliako

Akaikinao, anilanao foana aho
matokia fa ianao no fiainako
Akaikinao, anilanao foana aho mandram-pihavy ny maraina
na anatin'ny tomany, akaikinao

Fonao ho ahy, feno fitia
Tsy mivadika sanatria
hasambarana kasahinao
atolotro mba ho tontolonao
na tobaka ny hafaliana
ny mamy no omeo ry tiako

Akaikinao, anilanao foana aho
matokia fa ianao no fiainako
Akaikinao, anilanao foana aho mandram-pihavy ny maraina
na anatin'ny tomany, akaikinao

Akaikinao, anilanao foana aho
lafatra sy feno
tsy foiko, tiako, anilanao

Partager anilanao foana

Commenter anilanao foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Joy k et Nampoina