miloatra avy ao am-po
ny tonom-bavako maneho ny fanajako sy fankatoavako
ny Tompoko Tsitoha
nitahy hatrizay
hatramin’ ny taloha sy ho mandrakizay
fiv:
mivavaka aho satria tena mino
mino sy mankato
manaja sady tia an’ Andriamanitro
mivavaka aho satria tena faly
faly sy manantena ny avotra
omena mandrakizay doria
mibahana ato am-poko
fanahin’ i Kristy, mitaiza tsy miato
ka mahafaly ery
manesika ahy hivoatra
hiasa be kokoa
ka ataony tafaohatra ny hasoavako