Tiko ho re fotsiny ilay feo
Enao nilaza taminy fa izy no tinao satria
Za tsy hino fotsiny eo
Tsy mitombina, tsy mety tsy mino raha tsy enao no miteny
Nijery ahy nampiseho
Fa levona any anatinao ilay dingana vita fahiny
Ireo sorona atreo
Ianao no tiko ilaza, inona no tiany ety mainty ery
Iza no mahalala ny fisainan’ny olona ety
Manao tsara ho an’ny tiana aza mapitrapitra
Nangataka ahy anao omaly hoe za aza arina
Ny ampitso enao nanadino
Ka lainga ary sisa ireny
Avelao zany ho fery
Fa lazao mafy hoe mandehana, aza mitsara ahy
Raha tsisy azo atao intsony
Fefa vita any ajanony
Ka lazao mafy hoe mandehana, za tsy hitana
Fefa fantatrao izy androany
tSy haiko ny tsy hiteny
fa mandrotra ny anatiko ao
ka aleoko manontany
natao sanatria ka ho kilalaonao za androany
tsy mampaninona ahy izany
ny tontoloko angina, ny lalako tsy ho lalanao
fa ny ampitso tsy ho lany
ny omaly mety hiofa tsy ianteherako no ianteheranao