Andro soa
Tsy manam-paharoa
Ny vanin’andro anio
Ka tadidio
Mpifankatia
Vonona hiara-dia
Hamakivaky ny
Onjan’ny fitia
Hikasa sy hivoady ny ho doria
Ka tsy hivadika na hiova, sanatria
Tanteraka eto anio ny voadin’olon-droa
Ho mpivady hifanoa, hifampiahy hifanasoa
Zanahary o ! ampio
Ary koa tahio
Ny tokantrano izay
Hirariana ho mandrakizay