4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Masoandro mody - LUDGER Andrianjaka

Ry masoandro mody madiva hilentika

Nahoana lahy ianao raha hafarako indray

Ianao ihany anie no mahavangy matetika

Mba vimbino re ity hafatro any aminay



Na ho singany hono hoe tsy mba mety variana

Fa tsy misy mahasolo ilay olon-tiana

Aoka ihany mba samy hitahiry mangina

Fa tsy mbola fantatrao izay miseho any aoriana



Fenomanana hono hoe irony volana ambony

Mainka koa ity foko tsy mety mitony

Mikorana izay tsy izy ny ankizin’olona

Fa izaho irery kosa no toa miolonolona



Mety hivaly ihany ve izany vetsoko izany

Ry masoandro mody hivadika ho any

Mba asaivo vangiany ny akany nitoerako

Fa ho hitany ao ny tandindon’ny tenako

Partager masoandro mody

Commenter masoandro mody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka