Am-pelatananao manombok’izao
Ny eritreritro, ny fihetsiko sy ireo fomba fanao
Aza avelanao ho resy raha toa misesisesy
Ireo fankam-panahy mamandrika ahy
Ref : Ianao ny heriko raha mafy ny manjo ahy
Fa famelana fahotana ianao, afaka ahiahy
tsy fitsarana na fangejana fa fo onena
Hizara famonjena
Raha sendra ka mianjera aho
Ka trotraka ny dia , lazao ahy fa ianao
Tsy miova ny fitia , amboary ao anatiko ao
Fitia vaovao tsy mety ho very fa mahery
Ref ...
Homeko anao ny fiainako sy izay momba ahy
Ny hatanorako ny heriko ny foko sy fanahy
Ekeko izao tsy hanompo tompo hafa satria
Tsy ho voafafa ny rà oh oh oh ...
Ny herin’ny fitia