tsy sangisangy fa vokatrin’ny fo
no hialazako fa tia aho
tam-pisainana sy safidiko
taminao ny eritreritro
ny loha
k’aza manalavitra
f’irery aho tsy eo ianao
f’ianao no andry
tohana sy harenako
dia fo madio feno fitia tontoloko
na ny aiko aza raha tianao ho atolotro
eo an-tananao
tsy vazivazy akory na koa fialam-boly
ny oroka efa natolotro
voarakitra diary am-panahy tsy sary
vita sikotra toroko tsy ho lo
tsy aiko angamba tena ho banga
ny fiainako raha handao ahy ianao