.1-Tsy maintsy hanainga indray fa maraina ity ny andro
Hiatrika ny tolom-piainana andavanandro
Tsy maintsy ny ao an-doha raha vao mifoha dia ny hoe : Miomana handeha
.2-Tsy maintsy afenina amy pôzy irony adin-tsaina
Fa samy mba mizaka ny azy am-po , tsy lazaina
Saromana amin’ny tsiky mba tsy ho taratra loatra, imasom-bahoaka
.3-Tsy maintsy iaretan’eny ’rony toetr’andro ratsy
Na erika na rivotra na hatsika mifafy
Tsy maintsy tonga à-lera mantsy mba ho porofo
Fa mbola mazoto
.4-Na mby an-koditra aza ’rony aretin-tsamihafa
Hodiana tsy hita f’hazo fijaliana io ka zaka
Tsy maintsy miezaka mijoro na dia savolaina
Fa tsy an-kitaraina
Ref:
Tsy maintsy hajaina ny asa
F’izy no "maha-rangahy"
Fa raha ny vola no antenaina very fanahy
Na be na kely no azo toa tsy ahoan-tsy ahoana
Fa tsy ampiampy foana
Ny atsy ny karama tsy voaray dia efa vita
Kaonti-trosan’olona ho aloa tsisy fika
Ny aroa tsisy dimy andro no avy nandray
Dia efa mikolay
Tsy maintsy mitsikaraka amin’ny "ambony ampànga"
Vao mba mahita riràny hamenoana izay banga
Raha tsy izay tsy mantsy handrehitra tanimena vao hisy jerena
.5-Tsy maintsy manana herim-po sy be herin-tsaina
Raha asa-tena no hivelomana ka ho antenaina
Miandry tsikim-bitana , hipi-maso an’ila
Vao mba velon-kira
Tsy afa-hitafy randrana manendrika ny hafa
Raha saranga tsotra no efa niorenam-pàka
Satria tsy lasa mpànana ,na ho ambony na ovina, K’aleo mangina
Ref
Tsy maintsy latsa-bavaka mitsirepirepy
Raha tojo ny andro mafy, tsy itokoam-baraiventy
Tsy manan-jo ho kivikivy na hanary toky
Na dia handry fotsy
Ireo kilonga kely tsy mahay ny tsy misy
No ampandeferan’ambo, k’hitrosanan ,indrisy
Fa ny lehibe zatra miafy eny ihany rehefa an-tanan-dany
Tsy afak’hanan’ambim-bava, na koa tahiry
Hoan’ny "retirety" izay tsy sainina firy
Fa dia tsy maintsy ho ankinina am’ilay Ray Tsitoha, izay mety hahasoa (3 fois)
Black-jack
Fa raha ny