1 - Atokako ho anao Tompo ô !
Ny fiainako ny androko
Ny molotro no hiderako anao
Mitady anao fatratr’aho
2 - Atolotro ho anao Tompo ô !
Ny foko sy ny tenako
Ka mino aho fa ianao Tompo ô !
No hany mahavonjy ahy
3 - Ifonako aminao Tompo ô !
Ny heloka vitako
Raiso ny fiainako ry Tompo !
Mahantra ity zanakao
Fiv. Fa Ianao ry Tompo !
No andriko (andry)
Mba tohanonao
Jeso ny fiainako