Maraina izay andrandraina
Ary antenaina mba hanome indray ny aina,
Sy ny saina,sy izay ho hajaina, antenaina.
Omaly, raha toa ianao nijaly,
Iriako indray hifaly,
Tiako koa mba hiangaly, fitia mifamaly,tafiana toa voaly
Ref: ♫ ♪
Ka andeha, hiarak’hanamboatr’ indray
Ireo simba, s’ireo ‘zay vita hatrizay
Fianam-baovao, ho ahy sy ho anao
Ho antsik’izao no ao am-poko ao
Dia velomy ny afo,
Avelao hitafotafo,
Hidiran’ilay maraina,
Ka io indray no ho lalaina.
Tsiky sy hafaliana,
No ataovy ho faniriana,
Ho fiainan’isan’andro,
Isik’hitandro, hateza ho tena meva
Maraina izay andrandraina
Ary antenaina mba hanome indray ny aina, sy saina,sy izay ho hajaina, antenaina
Omaly, raha toa ianao nijaly,
Iriako indray hifaly,
Tiako koa mba hiangaly, fitia mifamaly,tafiana toa voaly
(Interlude musicale)
Ref: ♫ ♪
Ka handeha, hiarak’hanamboatr’indray
Ireo samba sy ireo izay vita hatrizay
Fianam-baovao, ho ahy sy ho anao
Ho antsik’izao no ao am-poko ao
Dia velomy ny afo,
Avelao hitafotafo,
Hidiran’ilay maraina,
Ka io indray no ho lalaina.
Tsiky sy hafaliana,
No ataovy ho faniriana,
Ho fiainan’isan’andro,
Isik’hitandro, hateza ho tena meva
Maraina izay andrandraina,
Ary antenaina mba hanome indray ny aina, sy saina,
Sy izay ho hajaina, antenaina,
Ho tohan’aina, tsy ho very maina,
Fa tena ilaina ianao ry maraina.
Mpihira: Francia
Tonony sy feony: Noel Rakotoarivony