Niandry anao ihany aho fony mbola velona
ireo voly niarahana namboly
nalazo anefa ka hihintsana hatreo
ireo fela-manitra voakolo !
Nilaozanao nitady toerana hafa indray
ity toera-nomanoko ho anao
ka nafoiko toa ny very may mandrakizay
ny fiverenanao !
Any andro mbola hitsimok’ ireo nilaozanao
nefa hisy handrara anao tsy hiditra ao.
Koa saino dia ny anio ary koa mba tadidio
fa olon-kafa aty no hioty !