Ao anatiko ao
Moa ve fantatrao
Ny fo sy ny saiko rehetra
Mankalaza anao foana
Ianao no rovako
Reharehako hahafantarako ilay tananako
Nefa dia indrisy, resiny ianao
Mitomany ny foko
Mitomany anao ilay rovako
Aiza intsony indray anie
No ahitako (toa anao)²
Fahatsiarovana sisa
Ny tranon’ireo mpanjakantsika
E mampalahelo
Ka aleo dia mikalo
Veloma eh ! mandrankizay eh !
Veloma eh ! may a ! may a !