Fitiavana, fifankatiavana
Io no didy napetraka
Miraisa, mifandraisa tànana
F’ izaho sy ianao
Zanak’ Andriamanitra
Andeha hizara fitia
Amin’ izao tontolo izao
Andeha torio fa Kristy
Nampianatra mba hifankatia
Hoporofointsika indray
Anio ampitso mandrakizay
F’ izaho sy ianao dia iray
satri zanaky ny ray
Fitiavana
Finfankatiavana, io no didy napetraka
Miraisa mifandraisa tànana
F’ izaho sy ianao
Zanak’ Andriamanitra
Mifankatiava ianareo
Tahaka ny nitiavako anareo
F’izany no hafany
Namako ô! andeha hifankatia
Ka hatrany amparan’ ny tany
Andeha hizara ilay tena fitiavana
Vaovao mahafaly
Ho an’ ny olon-drehetra
Fitiavana, fitia tsy manampetra