RESAK'ALIKA
Resak'alika, resak'adala
Juste ambiance sy hafanana
Natao ho an'ny jôba ny tary sy akama
Fa toa tsy ampy revy ny eto an-tanàna
Avy 'zahay, tonga 'zahay
Tonga hilaza ary tonga hanambara
Revy mafana fa tsy hoe m'kafara
Hilaza 'zay hita sy 'zay hanambara
Izay manaintaina sy malailay
Navy 'zahay, tonga indray
Kôzy mandona ny rima mamay
Tsy tektonik ary tsy tatasiaka 
Tsy dihy mampivika fa son magnifique
Tsy nalaina tahaka fa noforonina
Revy mandona sy sora-tononina
Loko dorehitra jiro manjelatra
Revy mahasaky, anay 'zao ny sehatra
Réf: Fa elaela ny ketrika tao
 ‘ty izao no masaka aroso anao
 Raha misy kôzina dia ambarambarao
 Raha misy ny hafatra dia zarazarao
 Raha misy lazaina dia tabatabao
        Raha misy ny kiana dia vazavazao
        Fa ‘ty revy ‘ty ho ahy sy ho anao
        Hifampizarana k’aza atao kilalao
Ny jijin’ny gasy lehiroa efa ela
Itony ny patin’ny mbola tavela
Voizinay mafy atao serasera
Mino ‘zahay f’efa tonga ny lera
Avy ‘zahay, sady m’nday
‘tony no trondro tsy avy eny Masay
Vetin’ampango laroina sakay
Mandravasarotra sy katrafay
Tenehina tsara sotroina mahamay
Tsy mialonjafy fa samia mandray
‘tony ny paiso tsy misy fanday
‘zany ny fofon’i Manjakaray
Antanimena sy Tsaramasay
Mhh..., ‘zany ny revy rehefa vrai
Ireo  izao ny kil bobaka be
Manongilatsofina sy mihomehy
Vidio ny K7 vidio ny CD
MP4 sa DVD 
Réf: Fa elaela ny ketrika tao
 ‘ty izao no masaka aroso anao
 Raha misy kôzina dia ambarambarao
 Raha misy ny hafatra dia zarazarao
 Raha misy lazaina dia tabatabao
        Raha misy ny kiana dia vazavazao
        Fa ‘ty revy ‘ty ho ahy sy ho anao
        Hifampizarana k’aza atao kilalao
                                                                                            Nampidirin'i : Herizo et Solofo