tsy ny harena zay anananao
tsy ny endrikao na koa ny bikanao
tsy ny herinao na ny fahaizanao
no handovana ny lanitra
tsy mila titre, ao an-danitra ao
tsy mijery fihaviana, ao an-danitra ao
tsy mifidy saranga, ao an-danitra ao
jesosy ihany no lalana
tsy mizaha diploma, ao an-danitra ao
tsy manao politika, ao an-danitra ao
tsy misy ady seza, ao an-danitra ao
mila mandray an’i jesosy ianao
tsy ny voninahitra sy lazanao
tsy ny asa soa marobe vitanao
tsy ny anaran’ny fiangonanao
no handovanao ny lanitra