Mamindrà fo amiko Andriamanitra o
Araka ny fahasoavanao
Araka ny haben’ny fiantranao
Vonoy ny fahadisoako (bis)
Sasao madio aho mba ho afa-keloka
Ary diovy aho mba ho afa-pahotana koa
Tompo o sokafy ny molotro
Hanambara ny fiderana Anao (bis)
Hanambara ny fiderana Anao (bis)