Aza mijery ny lohasaha mangiana
Ka manantateraka izay ao am-po
Na ohatra misy aza fifamaliana
Jereo Andriamanitra an-tampon’ny loha
Ambony fitoetra fa iva fijery
Mahita izay takona miafina indrindra
Tsy hoe mankasitraka
Fa tsymiteny
Miandry fotoana hamaliana
Kanefa fandavana no hasetrinao izany
Fa ny hamaly faty no safidy
Ny valin’ny tody anie tsy ho anao ihany
Fa hatramin’ny taranaka mandimby