Fantatrao fa mbola zaza aho
Ka nahoana no niarahanao
Fantatrao (bis)
Ka nahoana no fitahinao
Nanodoka ny hoe "tiako ianao"
’Zay arahan’ ny fampanantenana
Mambabo ireo resany sy ireo fanomezany
Fanimbana anefa no katsahiny.
Ranomody amie aho, ranomody
Izy kosa te hisodisody
Toa ny afo anie ny aty, k’asanao hampiara-dia
F’asehoy anay ilay tena fitia