Maniry anao
Henoy ry vehivahy eh
Ambarako anao oh !
Izay mba faniriako
Te hahita tory ankavananao
Henoy ry lehilahy eh !
Lazaiko aminao oh !
Izay mba fifaliako
Raha mifoha maraina ankavianao
Ny ao an-doha tia anao zato isan-jato
Ny ao am-po maniry anao tsy mety mihato
Fa olon-tsotra, fa olon-tsotra sady hendry
Kanefa kosa mba manan’elatra indraindray
Henoy ry vehivahy eh ! (Henoy ry lehilahy eh !)Ambarako anao oh ! (Lazaiko aminao oh !)
Izay mba fifaliako
Raha mba mitsotsotra eo anilanao
Ny ao an-doha tia anao zato isan-jato
Ny ao am-po maniry anao tsy mety mihato
Fa olon-tsotra, fa olon-tsotra sady hendry
Kanefa kosa mba manan’elatra indraindray
Ny ao an-doha tia anao zato isan-jato
Ny ao am-po maniry anao tsy mety mihato
Vehivavy tsara, vehivavy tsara sady hendry
Kanefa koa mizara karatra indraindray
Eny, n’aiza n’aiza misy anao
N’inon’inona atao
Dia tsarovy fa izaho,
miparitaka aminao
ripadripaka aminao
Potipotika aminao
Rotidrotika aminao, là là
Te hamihina anao
Hisakambina anao
Te hanoroka anao
Te hanafosafo anao
Te hitazona anao
Te hitrotrotro anao
Te hiampofopofo anao, là là
Ny ao an-doha tia anao zato isan-jato
Ny ao am-po maniry anao tsy mety mihato
Fa olon-tsotra, fa olon-tsotra sady hendry
Kanefa kosa mba manan’elatra indraindray
Ny ao an-doha tia anao roanjato isan-jato (Ka aza lavinao an-kafa anie)
Ny ao am-po maniry anao tsy mety mihato
Fa olon-tsotra, fa olon-tsotra sady hendry
Kanefa kosa mba manan’elatra indraindray
Princio (& Lily)