Ho hajaiko toa ny zanahary kely 
ety an-tanako ety 
ts’isy avelako hisy handray azy aky
fa mamiko loatra izy ity
Tsy hohadinoiko ianao
raha mbola ety 
ity peratrao
ho porofom-pitia
Ehe tsy hadinoko ianao
raha mbola ety
ity peratrao
ho porofom-pitia
Toa azoko sary an’eritreritr’ienao
miventso ny fitiavantsika
matokia fa miambina ahy anie
ity peratrao ity