MARAINA VAOVAO
Mbola ho avy ilay mraina vaovao
Hitondra hasambarana ho ahy sy anao
Mbola ho foana ny antsoantso mitalaho
Ny tomany nampijaly de andaho
Mbola ho afaka ny gidram-pahoriana
Ny tafondro sy ny basy de angaina sy ho sina
Mbola ho tapitra ilay tsy fitoviana
Nampisaraka antsika roa ry tiana
Ny alahelo de ho foana
Fa ho falifaly lava
Ny kibo tsy ho noana
Ny aretina hisava
Mbola ho avy ny hazavana vaovao
Ny haizim-pahantrana de ho tapitra hatreo
Mbola ho avy ny hazavana vaovao
Ho lavi-piafiana sy toreo
Mbola ho avy ny haravona lavin-tsento
Ny tsikitsiky no anjaka ety
Mbola hifarabna ny fijaliana eto
Ka hirahira hifaly sy handihy