Tafahoana izao isika, izy ela nisarahana
ka moa ve mangatsiaka ny fonao rahavana
Falifaly izany foko raha nahita anao
ka ny sento sy toloko misinda tsotr’izao
(bis)
refrain (in-2) :
Mafy ny alahelo raha lavitra anao
nefa ny tsiambaratelo no tsaroako hatramizao
Eny fa tsy miova ilay fitiavako anao
ho anao lalandava voarakitra am-poko ao