Indro aho manolo-tena
ho iraka , ho mpikolo
Olo-maro sesehena anivon’ny tontolo
Ahay anavaka ny tsaran’ny Tsitoha
ka ho mpitory mpanambara n’inona hanjo
Ref:Ny tontolonay ety dia manantena Anao
miandrandra fitahiana sy maraina vaovao
Tsy fantatray mazàna ny lalana ombana
Ka mba toroinao re ry Jeso
Hianao no andrandraina
hanitsy sy hanoro
Ireo olo-maro mitaraina anivon’ny tontolo
ho vanona sy sahy, ilain’ny firenena
Hijoro tena lehilahy, Jeso no jerena