Agnay ty izao tsa afaka miagnany,
Sy afara koa isika mifakahita
Ka agnay izao e! hitatara ny faha- ela
Ka aza tsigniane, fa hitondra ny SOKELA
Koa azafady, azafady Andriamatoa
Fa agnay toy, hitatara FIANARANTSOA
Tsaramandroso, ao no misy ny lakazera
Manatrika azy ao koa college sacre-coeur
Agn’Ambozotany e! ao ny tanan-dry Mopera
Magnolotsa azy ao koa e! ry chez frera
Ambatolahi-kisoa, ao ro biraon’ny kaomisera
Lapan’ny tana- e! Adimistratera
Ao Ambatomena, ao ny divay Mac Kelera
Tambohobe, ao ro misy ny dokotera
Magnolotsa azy ao koa e! ao ry Masera
Ny kirikitsa ro natao sagnatry
Fanafody tena mahasoa
Ny fitiavako an-drika ro nahafaty
Koa mandihana fa aho tsa mila koa
Eh ! veloma e! ASABOTSY MIFAKAHITA
Beravina aba ro misy an-dra Noribera
Mariny azy ao koa e! Travao sy ny injeniera
Ao Mahamanina fiangonan-dra Pasitera
Ao amin’ny Soafia, hotelin’ny Etrangera
Miolotsa marigny ao koa, ny tanan’ Ingahy Mera
Besorohitsa aba ny garan’ny militera
Tasionima, ao ny panera
Marigny azy ao koa, ny pivarotsa Labiera
Ao an-drirany ao, zalahy Penitansiera
Magnolotsa azy ao koa LaGara Chemin de fera
Ao amy Paositra ao e ! Resevera sy Fakitera
AMPASAMBAZAHA E ! izao ro FAGNALANA APELA
Ny maray maha-te hiarake
Sy hariva, miady voanjobory
Tolakandro, isika ma-piarake
Sy amy ny aly koa miray matory
Eh ! veloma e ! ASABOTSY MIFAKAHITA
Izay aba ara ny tantara
Fa agnay toy tsa handany lera
Fa lehe misy ny Ambodivora
Arosoy leky iray vera
Mahaiza mamindra lehe nahalany
Fa nge mamo koa dia mianjera
Miavia atoy, roky sy hariva, fa...
Misy kiridy ao amin-dRasitera
Kabaosin-dRapaoly ro hampandihy
Ka asa lehe hisy Paritinera
Eh ! Veloma e ! ASABOTSY MIFAKAHITA